HomeMa villeActualitésOmena hasina ny Polisy Kaominaly

Omena hasina ny Polisy Kaominaly

Efa ela no natao ankilabao ny polisy kaominaly teto Antalaha ka tonga izao ny fotoana hamerenana ny hasiny satria izy io dia fototry ny fandehananan’ny asan’ny kaominina. Valo izy ireo tamin’ny zaho tonga tao ka dimy volana aty aoriana dia efa 11 izy ka mba ho 50 ny tanjona mandrapaha hitaperan’ny fe-potoana efa-taona hiasako ao.
Omeko sy vatsiako fitaovana mendrika sy mifandraika amin’ny asany izy ireo. Hofanina ihany koa mikasika ny asan’ny Polisy monisipaly (ny lalàna mifehy azy, ny andraikitra sy anjara asa natokana ho azy, ny pitsopitson’ny fepetra takiana aminy sns) izy ireo.
Ekena fa tsy lavorary ry zalahy ireo ary maro be ny lesoka mbola tokony harenina, fa kosa efa mazava tsara fa olona vonona ireo, tia ny asany ary tena isan’ny toko-telo hiankinan’ny fanamboarana tanteraka ny tananan’ny Antalaha.
Fanamarihana: Efa mianatra ny miasa en « binôme » (zany hoe « Roa miaraka ») ry zareo mba ahavitana asa bebe kokoa no sady « efficace » kokoa.

« Longtemps dévalorisée, la Police Municipale d’Antalaha commence à renaître et retrouver son aura. Avec un effectif de 8 personnes au départ, ils sont 11 actuellement pour devenir plus tard, au moins 50. Je compte les équiper, les former en matière de droit et prérogatives d’une Police Municipale. La Commune s’occupera de leur habillement. En tout cas, je suis fier de ces gars là. Ils ne sont pas parfaits mais la police Municipale constitue pour moi un pilier essentiel de la reconstruction d’Antalaha.
Précision: Ils apprennent à travailler, désormais, en binôme pour être plus efficaces et plus mobiles que possibles. »

FOLLOW US ON:
Bilan de la levée d
Rafraîchir nos infr